4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isaory azy - Ny Antsa Fitiavana

Fantatrao moa, raha mahatsiaro irery ianao,

na tsy mety izay atao? io dia nohon’ny helokao.

Ibebaho ny ota vitanao, ka andeha hizotr’indray

amin’ny lalam-baovao.



Taomy koa ny hafa zay tsy mbola nahalala,

na reo zay misalasala mba hiarak’aminy.

Lazao azy fa mahery Jeso

Satria zay mahagaga efa nataony avokoa



O derao lay Mpanao zao rehetr’izao

n’aiza misyanao lazao ny heriny

Ambarao izao tontolo izao

raha sendra fahoriana ianao na tojo fifaliana

zay rehetra iainanao isaory azy



O derao lay Mpanao anao

n’aiza misy anao lazao ny heriny

Ambarao ho ren’izao tontolo izao

Fa raha ory ianao nakoa faly izao

zay rehetra iainanao isaory azy.



Tadiodionao fitiavana no angataho

iombonana ho iray toy ny mpirahalahy

fa izany no afantaran’ny olona

fa mpianatro ianareo raha toa ka mifankatia



Tandrovy koa ny fitondranteneneo

kendreo ho mendrika hadio sy marina

Dia torio f’izay mino an’i Kristy

no ahazo sy handray ny aina mandrakizay



O derao lay...( miaraka ny feo ny lahy sy vavy)

Fa efa azy ianao  ka aza manda ny heriny

Meteza ho avaoziny ho fotsy sy madio

hanompo hankato hanetry tena koa





O derao lay...( lahy sy vavy ary miverina indroa)

Zay rehetra iainanao

zay rehatra eo aminao

Zay rehetra hanananao, isaory Azy

Partager isaory azy

Commenter isaory azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite